Actualités

Ikalamavony Voasambotry ny FIP Ratsimbazafy sy Tsihala


  • Alarobia 06 Mey 2015

Naharitra adiny roa ny fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ny polisin’ny vonjy taitra (FIP) Fianarantsoa. Tsy nanaiky nolembenana ny polisy notarihan’ny komandany Rafaliarivo Jules ka tratra niaraka tamin’ny basiny sy bala Ratsimbazafy sy Tsihala, izay

 

 nambaran’ireo vahoaka ao Ikalamavony fa tena dahalo raindahiny tsy mampandry ny mponina amin’ny halatra omby. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana sy nangonina teo anivon’ny FIP Fianarantsoa, dia omby 30 no norobain’ireto dahalo izay nahafaty ny tompon’omby tao amin’ny fokontany Mahavanona boriborintany Tanamarosakay distrikan’i Ikalamavony Fianarantsoa. Vokatry ny fitarainan’ny mponina niantso mpitandro ny filaminana no nidinan’ny FIP notarihan-dRafaliarivo Jules tany an-toerana. Nandritra io hetsika manokana io no nahatrarana ireo dahalo ikohizana ao Ikalamavony ireto niaraka tamin’ny basy calibre 12 iray sy bala 18 be izao izay fantatra fa zanaky ny fokontany ihany. Ireo naman’izy roa lahy kosa tafatsoaka nandritra ny fifampitifirana izay nolazain-dRafaliarivo Jules fa mbola hisy ny fanarahan-dia azy ireo.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT