Actualités

Ikalamavony Misy mpanao politika manao barofo fananam-bahoaka


  • Zoma 18 Janoary 2013

Mitaraina ny mponina any amin’ny tanànan’i Fasindrano (Mahasoa), Ambohimanarivo (Tanambao), Sakamadio Tanàna roa (Sahamadio), Ambalamahatsara (Ranotsara), Ambalateva, Ambalasoa, Nagnarana, Bemanda (Ranotsara), Ambatomainty (Fkt Ambatomainty), Soambahofeno (Ambalamahatsinjo) any amin’ny Distrikan’Ikalamavony fa hanaovan’ny tompon’andraiki-panjakana sady mpanao politika fanta-daza avy any Fianarantsoa an-keriny ny fananan’izy ireo.

 Tamin’ny tapatapaky ny volana desambra 2012, araka ny antontan-taratasy fitarainana nentin’ny solontenan’izy ireo niakatra eto Iarivo, dia nisy fidinana andian’olona marobe tany amin’ny Kaominina Fitampito hoe hanao fanadihadiana sy fampiharana ny vonodina mahakasika ny fahaverezana omby tao Ambalafenoarivo  any Lanjainony Fitampito ny datin’ny 26 novambra 2012 ihany. Tsy nandeha tamin’ny laoniny anefa ny fanadihadiana fa terisetra no nahazo ny Fokonolona ary dia nasaina nandoa onitra omby marobe hatrany amin’ny 120 tany ireo vahoaka.

Nisy olona 4 anisan’ny manana tao an-tanàna aza nalain’ireo nisora-tena ho mpanao fanadihadiana irak’ilay mpanao politika, ka tsy navotsony raha tsy 10 andro taty aoriana. Ny omby 20 tamin’ireo dia namidin-dry zareo tao Ikalamavony fa ny 100 ambiny mbola lasan-dreo any. Marihina, hoy ity mpitantara ny zava-misy ity tamin’ny mpanao gazety, fa nandritra ilay fanadihadiana natao dia tsy nisy natory an-tanàna ny zaza amam-behivavy tamin’ireo tanàna ireo fa nisitrika tany anaty ala ka maro no niharan’ny tsy fahasalamana satria tsy nihinan-kanina. Efa nanaovana fitarainana avokoa ireo tompon’andraiki-pahefana any amin’ity Faritra ity ary efa tonga nanampy ihany ny tafika ao Fianarantsoa fa dia izao entina hampahafantarina ny mpitondra rehetra aty amin’ny foibe izao ity raharaha ity.

 
Sammy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT