Actualités

Ihorombe Olom-panjakana no manakorontana


  • Alakamisy 29 Oktobra 2015

Mampaneno lakolosy ny any Ihorombe manoloana ireo fanararaotam-pahefana ataona olom-panjakana iray amin’iny Faritra iny. Tranga maromaro no niseho tato ho ato, izay mitarika tsy fifankahazoana eo amin’ny samy olom-panjakana any an-toerana. Vitany tsotra izao ny mitaky vola, ka izay tsy manome dia iharan’ny fandrahonana amin’ny endriny samihafa. Tao Ilakaka fotsiny izao dia mpandraharaha teratany vahiny efatra no noteren’io olom-panjakana io hanome 4 tapitrisa Ariary isanisany azy, raha tsy izany rahonany dia hakatona ny fivarotan’izy ireo.

 


Nisy indray fahatratrarana kara-panondrom-pirenena sandoka an-jatony tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny 31 jolay 2015 teo. Daty iray avokoa dia ny 8 aprily 2015, herinandro talohan’ny nikatonan’ny lisi-pifidianana, no namoahana azy. Mitovy avokoa ny lavotondro natao taminy, toy izay koa ny anaran’ny Fokontany : Ilakaka. Vita tao Ilakaka avokoa ireo kara-panondro, misy amin’ireo tompony anefa no milaza fa sady tsy lavotondrony no tsy soniany no ao anatiny.

Nony niroso anefa ny famotorana nataon’ny mpitandro ny filaminana dia mbola ilay olom-panjakana indray koa no nanome baiko ny hanajanonana izany. Tranga izay mampifanolana ny samy olom-panjakana any amin’ity faritra Ihorombe ity.

Fa ny mampametra-panontaniana ny mponina koa dia ny amin’ny lehiben’ny Fokontany tao Bepeha, izay nambara tamin’ny desambra 2014 fa nesorina tamin’ny toerany, taorian’ny raharaha fitrandrahana an-tsokosoko harena ankibon’ny tany tao amin’ny faritra arovana, nefa mbola izy indray no nanao fanamarinana fitoriana napetraka kandida iray nanao fitarainana taorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Iray amin’ireo Kaominina miisa 19 haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna ao aminy ny any Andohan’Ilakaka. Manahy ny fanaparam-pahefana hataon’ity olom-panjakana ity ny any an-toerana, ka manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana foibe sy ny Bianco handray andraikitra, hisorohana ny savorovoro sy ny fampifandrafesana ny samy mponina.

Rabri

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT