Nifandimby teny Iavoloha nanolotra tamin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoron’ny fireneny avy eto Madagasikara, omaly, ny solontenan’i Papa Ray Masina Mgr Paolo Gualtieri, Goburdhun Datakarran (Maorisy), Véronique Vouland (Frantsa).
Diplaomasia
Feno 50 taona amin’ny 2016 ny fifandraisana diplaomatika eo amin’i Vatikana sy Madagasikara. Hetsika maroloko no hanamarihana izany araka ny nambaran’ny solontenan’i Papa Ray Masina Mgr Paolo Gualtieri.
Toekarena
Ho avy eto Madagasikara ny Iraky ny Tahirimbola Iraisam-pirenena. Ny 10 ka hatramin’ny 22 septambra no haharetan’ny dian’izy ireo teto, hanao tombana ny fitantanam-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fampidiran-ketra. Miankina amin’io dia io no hahazoan’i Madagasikara vola 47,1 tapitrisa dolara, vola efa tokony ho azo tamin’ny taon-dasa.
Fampianarana
Hatao any Morondava amin’ny 20 novambra ny fankalazana ny fidirana ofisialin’ny taom-pianarana 2015-2016. Amin’ny 5 oktobra ny fidiran’ny mpianatra amin’ny EPP, CEG ary Lisea manerana ny Nosy.
Silamo Sonita
Hanangana toeram-pitsaboana sy oniversite ny Silamo Sonita eto Madagasikara. Tombanana eo amin’ny 4 tapitrisa eo ny isan’ny mpino silamo amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Vao avy niatrika kongresy nasionaly tao Mahajanga ny fikambanan’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo.
Salazamay- Toamasina
Tovolahy kely 8 taona, no tsy hita popoka nanomboka tamin’ny alahady teo, nopaohin’ny ranomasina. Telo mianadahy izy ireo no niara-nilalao teny amoron-dranomasina tamin’io ary nopaohin’ny onja tampoka. Avotra ny roa, ilay boaikely kosa tsy hita popoka hatry ny omaly.
Banky BNI
Handray anjara amin’ny foaraben’ny fidiran’ny mpianatra taona 2015 karakarain’ny La City manomboka anio etsy Ivandry ny banky BNI Madagascar, hahafahan’ity banky iray ity manampy sy manohana ireo ray aman-dreny mila tohana ara-bola amin’ny fampidirana ny zanany an-tsekoly sy amin’ny fitadiavana fitaovam-pianarana ho an-janany. Hisy ny fihenan’ny tahan-jana-bola omena azy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.