Manatanteraka asa fanadiovana lakandrano eny La Réunion Kely ny tanora HVM omaly. Misy asa tanamaro manala ny rihi-potaka sy fako, kaohin’ny fiarabe avy ao amin’ny Canal Andriantany, ka olona miisa 500 no manao izany, sandaina 5.000 Ar isan’olona isan’andro.
Nihiratra ny mason’ny HVM vao niditra an-tsehatra nanadio ny Canal Andriantany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ho fiarovana ny faritra iva. Nanomboka tamin’ny 5 desambra ny asa, izay nosantarina teny Ankadimbahoaka. Andraikitry ny APIPA ny mikoja sy manadio io lakandrano anisan’ny lehibe eto an-drenivohitra io. Mihenahena ity antokon-draharaha ity, ka dia noraisin’ny kaominina ny andraikitra araka izay fahafaha-manaony eo am-pelatanana, na tsy omen’ny fanjakana vola aza. Nenjehin’ny eritreriny angamba ny mpitondra HVM, fa ny CUA tsy nomeny tohana ara-bola indray ity no mahavita zavatra, ka dia io fa mikofoka manetsika izay azony ahetsika rehetra io. Napoitra avy any ny ministeran’ny rano, mpiahy ny SAMVA nanaonao asa kely teny Besarety teny, dia io indray koa ny tanora HVM fa nalefa teny La Réunion Kely omaly nanadio lakandrano, tsy niandrasana ny 10 janoary 2017 hanaovana fanadiovana faobe araka ny nofaritan’ny fanjakana. Zava-dehibe aloha rehefa mandray lesona, ary hahazo tombontsoa amin’ny fanadiovana ireo Malagasy sahirana monina eny La Réunion Kely, faritra izay mijaly amin’ny rano rehefa fotoam-pahavaratra toy izao satria dia tototry ny fako ka dia marivo ny Canal Andriantany hany ka mora tondraka ary dia tonga eny ambaravaran’ireo trano « sachet » eny an-toerana ny rano. Ny tsy fisiana, tsy fananam-bola handoavana hofan-trano no antony manosika ny ankamaroan’ireo fianakaviana miaritra amin’ny trano tsizarizary eny amin’ity faritra ity. Arivo mahery ny isan’ny mponina eny, ary varotra kapoaka sy tavoahangy ary koa manasa plastika no fiveloman’izy ireo ; zara raha mahazo 1.000 Ariary ao anatin’ny in-dray andro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.