Actualités

Houcine Arfa Nitory manampahefana Malagasy maro


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Tsy mipetra-potsiny ilay teratany Frantsay Houcine Arfa, gadra nitsoaka teto Madagasikara manoloana ny raharaha rehetra nahasaringotra azy.

 

Tena mitsimbadika ny tantara satria dia nitory any amin’ny fitsarana Frantsay ny tenany. Tafapetraka any amin’ny “Tribunal de Grande Instance de Paris” ny 7 febroary lasa teo ny fitoriany olona ambony sy manampahefana Malagasy maromaro toa an’i Vonjy Randriamaromanana, Michel Randriamaromanana, Rasolo Elise Alexandrine, Razafimelisoa Odette Balisama, Haingo Ramiandrisoa, Hervé Marius Rabehanitriniony.  Mpisolovava am-polony amin’ny kabinetra “Jureo avocats” no miara-miasa amin’i Houcine Arfa amin’izany. Anisan’ireny ilay mpisolovava Frantsay malaza  Frank Breton. Ho an’ny teto Madagasikara kosa dia tsiahivina fa hahemotra ho amin’ny 9 martsa ny fitsarana azy momba ny raharaha fisandohana andraikitra ho mpanolotsain’ny filoha sy ny fanerana vola hanome vola, ka anton’izany ny tsy fahatomombanan’ny taratasin’ady. Ny olona nohelohina 3 taona an-tranomaizina teto Madagasikara, ary tafatsoaka ny fonja sy tafaporitsaka any ampitan-dranomasina indray ankehitriny no mitory. Nanao ampamoaka goavana ny tenany nony tonga tany Frantsa ny fiandohan’ny taona 2018, ka nilazany fa nandoavany volabe tamin’ny tompon’andraikitra ambony maromaro teto Madagasikara ho sandan’ny fahafahany. Nambarany fa nandray 70 000Euros taminy ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine, 30 000Euros kosa ho an’ny Tonia mpampanoa lalàna Razafimelisoa Odette Balisama. Nisy ny fangataham-piaraha-miasa tamin’ny fitsarana Frantsay amin’ny hanenjehana ara-pitsarana azy any an-toerana satria manana lalàna mandrara ny terataniny halefa hotsaraina na hogadraina any ivelan’ny fireneny ny Frantsay. Tsy nohenoin’ny fanjakana Frantsay aloha ny mpitondra Malagasy matoa tsy voasambotra sy afaka manao izay tiany i Houcine Arfa hatramin’izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT