Actualités

Houcine Arfa “Nandoa 70 000 euros tamin’ny minisitry ny fitsarana aho”


  • Talata 16 Janoary 2018

Araka ny efa nambarany dia niroso amin’ny ampamoaka amin’izay ilay teratany Frantsay Houcine Arfa , efa nigadra teny Tsiafahy, tafatsoaka an’i Madagasikara, nihazo ny nosy Mayotte ary efa any Frantsa kosa amin’izao fotoana.

Nambarany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety Frantsay ao amin’ny Le Parisien ary fa nandoa vola be 70 000 euros na 276 640 000 ariary tamin’ny minisitry ny fitsarana Malagasy izy, niampy 30 000 euros na 118 560 000 ariary tamin’ny mpitsara niandraikitra ny raharaha mahakasika azy mba nahafahany niala tao Tsiafahy ka nafindra teny Antanimora sy hoentina hotsaboina eny amin’ny hopitaly. Teo no nanararaotany nitsoaka ka lakana kely novoizina aloha no nitsoahany ny morontsirak’i Madagasikara niaraka tamina olona mpanampy azy. Avy eo nifindra tamina sambo misy motera amin’izay rehefa teny afovoan-dranomasina ka nihazo an’i Mayotte.Avy ao indray moa izy no nandray fiaramanidina ka nihazo an’i Frantsa. Manizingizina i Houcine Arfa fa tena mpanolotsaina manokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary nisy fotoana tena akaiky azy sy miresaka matetika aminy tokoa. Nanofana ireo miaramila mpiambina ny filoha aho, hoy izy. Fiofanana tsotra kanefa tsy lafo be ary mandaitra tsara satria tsy narisika ny hiara-kiasa amin’ireo firenena vaventy momba io raharaha iray io ny filoha Malagasy ka izany no antony niarahanay niasa, hoy hatrany izy.Niova tanteraka anefa ny toe-draharaha rehefa niditra an-tsehatra ka saika haniraka ahy hanao zavatra hafa ny sasany tamin’ireo olona manodidina an’I Hery Rajaonarimampianina, hoy hatrany ny fitantarany.Voaresaka ao ny momba na haino aman-jery iray akaikin’ny filoha sy ny resaka fiarovana ireo Karana mpanefoefo eto Antananarivo.Teo no nanomboka nitsimbadika tanteraraka ny raharaha, hoy I Houcine Arfa ka namoronana dosie mba hisamborana sy hanagadrana azy, toa ny hoe fakana an—keriny sy fisandohana andraikitra.Mieritreritra ny hitory noho ny resaka fiazonana tsy ara-drariny izahay satria tsy meloka ny olona arovako hoy ny Me Frank Berton, mpisolovava an’i Houcine Arfa.Asa izay ho valin-kafatra indray avy amin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine amin’ity izy hoe nandray vola be tamin’ny Houcine Arfa ity, sy izay mety ho ambaran’ny fitondram-panjakana Malagasy fa dia fahafaham-baraka aloha tsy misy toa izao intsony.Mbola ho avy ny andiany manaraka amin’ny ampamoaka ataoko , hoy i Houcine Arfa.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT