Hiverina hiakatra fitsarana anio 20 jona i Alain Ramaroson rehefa nandamoka ny raharaham-pitsarana azy ny 6 jona lasa teo.
10 volana izay no nampidirana am-ponja azy vonjimaika. Raha tsiahivina, ny 3 aogositra 2016 izy no nanomboka notazonina tetsy amin’ny fonjaben’Antanimora. Resaka hosoka sy fampiasana hosoka tamin’ny raharahan-tany hifanolanany amin’ny fianakaviany no vesatra hanenjehana azy. Efa im-betsaka ihany no nihemotra ny fotoam-pitsarana ity mpanao politika ity. Ny tamin’ny 6 jona dia voalaza fa nisy tamin’ireo voapanga niaraka taminy no tsy nahazo fiantsoana, ka izay no antony nanemorana ny fitsarana. Samy miandry izay havoakan’ny fitsarana anio ny rehetra. Ho afa-bela tanteraka ve ny tenany sa hahazo sazy miantona sa hanohy ny figadrana etsy Antanimora ? Fantatra teo amin’ny sehatry ny politika i Alain Ramaroson ary nampalaza azy ny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, ka nahazoan’izy ireo fahefana tamin’izany fotoana. Tsy nisy niraharaha azy intsony ireo niara-dalana taminy tamin’ny tetezamita. Na ezahina lazaina ho raharaham-pianakaviana aza ny raharaha, dia tsikaritra fa mamofompofona politika satria fantatra ny firehan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra maro nataony ka anisan’ny nivaivay ny fanenjehana ny fanjakana Rajaonarimampianina rehefa voadakan’ny HVM ny ankamaroan’ny olon’ny tetezamita. Azo eritreretina ihany koa fa miankina amin’ny mety hanekeny hangina, ka tsy hamelively ny fitondrana ny fahafahany. Mandeha ihany koa anefa ny resaka fa tsy homena fahafahana i Alain Ramaroson raha tsy aorian’ny 2018 sao hanakorontana fitondrana. Tombantombana avokoa izany fa dia miandry izay haloaky vavan’ny fitsarana ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.