Actualités

Hosoka amina miliara Artista iray hatolotra ny fampanoavana anio


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010


Anio maraina, raha tsy misy ny fiovana, no hatolotra ny fampanoavana etsy Anosy ilay artista malaza - ary tena mbola ao anatin’ny lazany mihitsy - izay voarohirohy ho nampiasa hosoka nahafahana nanodikodim-bola amina miliara. Ny zoma teo izy no nosamborin’ny zandary etsy Betongolo ary ny andron’iny ihany dia efa nanomboka ny fanadihadiana azy. Raha araka ny tsiliantsofina dia nanaiky hatrany ny fiampangana azy ity mpanakanto ity. Voalohany amin’ny tantaran’ny mpanakanto gasy izany vao nisy fanodinkodinam-bola avo lenta toy izao. Hatrizay mantsy dia raharaha madinidinika hatrany no nidiran’ny artista am-ponja. Tao ny sarona nifoka zava-mahadomelina eny an-dalambe, tao ihany koa ny niaraka tamin’ny zaza tsy ampy taona, tao ny nampiasa seky hosoka. Tsy mbola nisy amina miliara toy ity tranga ity mihitsy anefa hatrizay. Asa raha hampitombo ny lazan’ity artista ity ny fidirana am-ponja izay mananontanona, raha ho izany tokoa, na koa hampilentika ilay laza kely efa mba azony...
 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT