Tsy ny Bianco (Bureau Indépendant Anti-Corruption) no namoaka ny horonam-peo mampiseho ny fifamaliana teo amin’ny mpiasa iray eo anivon’ny rafitra sy ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny
Repoblika Claudine Razaimamonjy taorian’ny fanadihadiana anatiny teny amin’ny foibe fiasany Ambohibao Antehiroka omaly, hoy ny tale jeneraly Andriamifidy Jean Louis. Porofo fandraisam-peo efa nalefa tany amin’ny fitsarana tamin’ny taon-dasa io miparitaka amin’ny tambaJotra sosialy ankehitriny io, hoy ny fanazavany. Tsy fomba fiasan’ny Bianco velively rahateo ny mamoaka tsiambaratelo mety hanohintohina ny fahaleovantenany amin’ny fahefana hananany miasa na hampihena ny fahatokisan’ny olom-pirenena amin’ny fanadihadiana hataony, araka ny fanamarihany. Singa iray ao anatin’ny fandaharanasan’ny governemanta ny ady amin’ny kolikoly iandraiketan’ny birao hamongorana ny fahantran’ny vahoaka fa tsy natao ho fitaovana politika. Mipetraka ho rafitra teknika miaraka amin’ireo teknisianina mpanatanteraka ny asa iadiana amin’ny kolikoly ny birao, hoy ity tompon’andraikitra ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.