Nandritry ny lanonana fanavaozam-piaraha-miasan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ary ny birao mahaleontena misahana ny ady amin’ny kolikoly (Bianco)
hampangaraharahana ny fifaninanam-panjakana hidirana ho mpianatra manamboninahitra eny anivon’ny akademia miaramila Antsirabe (ACMIL) izay hanomboka amin’ny 21 aogositra izao tetsy Ampahibe omaly no nanararaotan’ny mpanao gazety nanontany ny tale jeneralin’ny Bianco, Jean Louis Andriamifidy, ny tohin’ny fanadihadiana mikasika ilay horonam-peo mahavoakasika ny mpandraharaha Claudine Razaimamonjy, voalaza fa tafaporitsaka tao amin’ity birao ity. Efa mamaramparana ny fanadihadiana mikasika azy iny mihitsy izahay, hoy ny tenany amin’izao fotoana izao ary miha voaporofo tsikelikely, raha ny fandehan’izany hatreto, fa tsy avy ato aminay no nivoahan’ilay horonam-peo. Rehefa tsy olon’ny Bianco tokoa ary izany no namoaka iny horonam-peo feno hetraketraka ara-pitenenana nalaza eran-tany iny dia avy aiza ? Resaka nifanaovana an-telefaonina tena nisy moa izy iny ary raha hiverenana ny fanazavan-kevitry ny Bianco tany aloha dia nisy tokoa ny horonam-peo nampiarahana tamin’ny dosie Caudine Razaimamonjy nalefa teny amin’ny fitsarana.Ka midika ary ve izany fa mety avy ao amin’ny fitsarana no nivoahan’iny horonam-peo nalaza iny ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.