Actualités

Horohorontany Maro no simba tao Antsirabe


  • Zoma 13 Janoary 2017

Nihovitrovitra ny tany omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy 7 minitra maraina ka tao anatin’ny 40 segaondra ny faharetany, ary teo amin’ny 5,9 amin’ny mari-pandrefesana “Richter” ny tanjany,

raha ny fanomezam-baovaon’ny IOGA na ny sampandraharaha mpandinika ny fihetsiky ny tany eny Ambohidepona, raha toa ka 5,3 kosa no hitan’ny sampam-pikarohana iray any Alemaina. Saika nanerana ny nosy no nahenoana azy fa tany Atsimo Andrefan’i Betafo, izany hoe teo anelanelan’i Betafo sy Mandoto any amin’ny kaominina Ambohimanambola, no ivon’ilay horohorontany na ilay antsoina ara-tsiantifika hoe “Epicentre” ary tany amin’ny 8,2 km ambanin’ny tany no tena nisy ny fihetsehana. In’efatra miantoana ny fihetsiky ny tany raha ny fampitam-baovao fa ilay voalohany tokony ho tamin’ny 1 ora sy 7 minitra no tena nahery vaika. Tamin’ny 7 ora sy 19 minitra teo ho eo, dia mbola niverina ny fihetsehana, izay mbola re tamin’ny faritra maro saingy nalefaka raha nitaha ilay tamin’ilay voalohany.

Maro no simba

Nahery vaika ny horohorontany raha ny tany amin’ny manodidina an’i Betafo sy Antsirabe manokana no resahana. Sambany no nisy tranga toa iny hatrizay nahatsiarovan’ny maro saina. Nisy fiantraikany tamin’ny fotodrafitrasa maro iny tranga iny, ka raha nanantombo kely fotsiny ny tanjany dia azo antoka fa maro ny faharavana niseho. Ho an’Antsirabe dia saika nahitana fahavoazana avokoa ireo trano vaventy toy ny biraon’ny faritra Vakinankaratra, ny Lapan’ny tanànan’Antsirabe ary trano fonenana maro tao an-toerana, anisan’izany ny teny Ambohimena, Antanambao, Ivory, Atsimontsena ary Saroloha. Niharam-pahavoazana ihany koa ny trano fiasan’ny orinasa afaka haba iray, izay tsy niasa mihitsy noho ny fanahiana ny hisian’ny firodanana. Ankoatra izay dia maro ny toeram-pivarotana no potika ny entany, indrindra ireo tamin’ny tavoahangy noho ny firodan’izany avy eny ambony talatalana.. 


Caius R sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT