Actualités

Hopitaly manarapenitra, tranon’ny mpianatra Mijoro ny rindrina fa gidragidra ny fampitaovana


  • Alakamisy 08 Novambra 2012

Na dia nafampana aza ny adihevitra nandritra ny fifanatrehan’ny Governemanta sy ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ny alatsinainy teo, hoy ny CT Abdallah M’Chindra avy any Antsiranana, dia hita taratra tamin’ireny fa ny hevitra no miady saingy amin’ny farany dia hita ihany ny marimarina iraisana, araka ny fiteniko azy fa tsy marimaritra iraisana toy ny mahazatra.

 Ny nampalahelo fotsiny, hoy izy, dia betsaka no saika hametra-panontaniana nivantana tamin’ny minisitry ny fahasalamana nefa izy tsy nipoitra tao. Raha ny zava-misy any Antsiranana fotsiny izao, na dia maromaro ny fotodrafitrasa tafatsangana any tahaka ny trano mora, hopitaly manarapenitra dia mampalahelo ny zava-misy satria dia mbola ny fitaovana efa nampiasaina taloha tao amin’ny hopitaly be no taomina hamenoana ny efitra isan-karazany ao anatin’izany trano vaovao, araka ny baikon’ny minisitra. Raha ny fanirianay ary tena takianay dia mba fitaovana vaovao no vidiana moramora ka hampiasaina ho an’ny vahoaka Malagasy indray.

Raha nifidy ny tetibolam-panjakana tamin’ny taon-dasa izahay, hoy i Abdallahy M’Chindra, dia nampanantena ny minisitry ny vola sy tetibola fa rehefa tsy misy ny fifidianana dia misy ny 40 miliara azo ampiasaina amin’ny zavatra hafa ka nahoana raha hividianana fitaovana manarapenitra atao anaty hopitaly manarapenitra izany ? Mitaky dokotera manarapenitra ihany koa izahay hiasa ao amin’io hopitaly vaovao io, ho hatrany i Abdallahy M’Chindra Farany angamba mba ho vita tsara koa ny kianja manarapenitray any Antsiranana izay efa valo volana mialoha ny kianja manarapenitry ny rugby no nampanantenaina fa ho vita. Sao dia tonga amin’ny ohabolana malaza hoe : “môtron’ny satrana” na mafana am-boalohany fotsiny sanatria !

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT