Nisy namaky ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo ny hopitaly manara-penitra Morafeno Toamasina.
Naratra tamin’izany ilay mpiambina nivarotra fanafody tamin’io alina io, ka very ny vola vidim-panafody 5 tapitrisa Ariary. Tsy nisy very kosa ny fanafody. Raha ny angom-baovao dia nivoaka ny fivarotam-panafody hamonjy trano fidiovana ilay mpiambina mpivarotra fanafody. Nandritra izay no nifanehitra tamin’ireto jiolahy roa nitondra basy PA ny tenany ka nentin’izy ireo niverina hakana ny vola. Ny nanaitra ny polisy misahana ny raharaha dia ny nivoahany namonjy trano fidiovana hafa, nefa ao anatin’ilay fivarotana fanafody efa voaaro amin’ny “grille de protection” misy trano fivoahana sady madio tsara. Efa mandeha ny fanadihadiana izao ka anjaran’ny Fitsarana no mandinika ny raharaha amin’ity herinandro ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.