Mandroso mihemotra toa lelon-jaza ! Re indray izao avy amina loharanom-baovao samihafa fa hatao hopitalin’ny Frankôfônia ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka
. Vokatr’io dia hoesorina ao ireo sampam-pitsaboana sasany nafindra teny, toy ny fampiterahana sy ny ORL izay natao hitsaboana ny aretina mety mahazo ny orona, sofina ary tenda, hoy hatrany ny loharanom- baovao. Mety haverina any amin’izay hotapily niaingany taloha ireo mpiasa tamin’ireo sampam-pitsaboana hesorina ireo ka ao Befelatanana ny an’ny fiterahana, ao amin’ny HJRA na eny amin’ireo hotapilin’ny distrika ny ORL. Ny sampam-pitsaboana momba ny homamiadana na ny Oncologie no tsy mbola nahenoam-baovao na hajanona eny Andohatapenaka na haverina ao amin’ny HJRA ihany koa. Samy mangina tsy ahazoam-panazavana anefa izany nanontaniana, raha dokotera vahiny ve no hiasa amin’izany hôpitalin’ny Frakôfônia izany sa mpitsabo eto an-toerana ihany saingy hisahana fotsiny resaka vonjitaitra, amin’izay trangan’aretina mety hiseho tampoka amin’ireo mpizaika an’arivony ho avy eo amin’ny novambra 2016, hamonjy ny fihaonamben’ny Frankôfônia andiany faha-16 izay hampiantranoan’i Madagasikara. Vao tsy ela moa, tsiahivina ihany, no nisy fiofanana momba ny fandraisana an-tanana ny mararin’ny «Ebola» natao teny amin’ny hopitaly manara-penitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.