Niova ho CHUJRA na Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny anaran’ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha.
Omaly no nahafantarana izany nandritra ny tatitra nataon-dRandrianandraina Nirina, tompon’andraikitry ny serasera momba ny fandraisana an-tanana ireo olona tra-doza sy namono tena nandalo tao amin’ity hopitaly ity ny alahady sy ny alatsinain’ny pentekosta lasa teo. Fantatra nandritra izany fa nihena ireo olona lasibatra raha oharina tamin’ny taon-dasa na ho an’ny sampana fameloman’aina izany na ho an’ny vonjy taitra. Ho an’ity farany manokana, ohatra, dia nahatratra 238 ireo olona naratra noraisina an-tanana nanomboka ny alahady teo ka ny 76 tamin’ireo no voatery notazonina. 86 isa tamin’ireo dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa raha 2 hafa namoy ny ainy izay efa maty teny an-dalana. Tao amin’ny sampana fameloman’aina kosa indray dia nahatratra 18 ireo noraisina an-tanana ka ny fito tamin’ireo dia tsy nahatsiaro tena vokatry ny fisotroan-toaka avokoa raha fikasana ny hamono tena kosa ny efatra ambiny. Na izany aza anefa dia ny dimy tamin’ireo ihany sisa no notazonina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.