Ao amin’ny hopitaly ao Analakely « Etablissement universitaire de soins et de santé publique d’Analakely»
dia mandray olona tsaboina maimaimpoana ka ahitana ny mpitsabo ny aretina amin’ny ankapobeny sady ahitana ihany koa ny mpitsabo manampahaizana manokana amin’ny taova toy ny fo, ny nify sy ary ny maso ... Maimaimpoana ny fitsaboana ao raha ho any amin’ny karazana mpitsabo samihafa ny marary. Ny fanafody kosa dia ny marary no miantoka. Na ny tena aza dia efa namonjy mpitsabo manampahaizana manokana momba ny fo ary dia nahazo fahafaham-po. Ny indro kelin’ny mpandrafitra dia ny ao amin’ny mpitsabo maso. Marina fa mety mba handray marary «sur rendez-vous» ihany ny mpitsabo fa ny maha lasa saina ao amin’ny mpitsabo maso ao amin’io hopitaly ao Analakakely io izay natao ho an’ny sarambabem-bahoaka dia tsy mizara nomerao, hono, ny eo am-bavahady ho an’izay hitsabo maso raha tsy amin’ny enina maraina ihany ary laharana folo ihany no zarainy. Izay tonga ao aorian’izay dia mandoa 15.000 Ariary ho saram-pizahana. Mahagaga fa ny ao amin’ny mpitsabo maso ihany no manao izany. Notsapainay indray dia nankao izahay dia nasaina nandoa vola. Tsy nandoa anefa izahay fa avy dia niditra ary nisy dokotera nandray anay avy hatrany izay tsy nahalala akory hoe : mpanao gazety izahay ary dia tafiditra sy voatsabo tsy nandoa vola. Eo an-dalantsara aloha misy soratra hoe : miditra aloha izay marary mandoa vola. Na tsy misy filaharana aza eo amin’ilay mpitsabo maso fa afaka mandray malalaka izy dia mbola mampandoa vola ihany ilay any am-pidirana. Ny mahagaga anefa rehefa tafiditra ao anatin’ny toeram-pitsaboana ianao dia tsy misy izany fitakiana vola izany akory. Kolikoly amin’ny endriny mihaja ve ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.