Actualités

HOPITALY BEFELATANANA Tafakatra 600 isan-taona ireo vehivavy sy ankizy hiharan’ny herisetra tonga mandalo ao aminy


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Tafakatra 500 ka hatramin’ny 600 isan-taona ireo vehivavy sy ankizy lasibatry ny herisetra ara-nofo eto amintsika tonga mandalo etsy amin’ny hopitaly Befelatanana, raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakotovao Hery. Ny 90%-n’ireo dia latsaky ny 18 taona avokoa raha 11 volana no

 

zandriny indrindra. Mba hahafahana manampy bebe kokoa ireny karazan’olona ireny ary dia nosokafana eo anivon’ity hopitaly ity ny centre vonjy. Ivontoerana natao indrindra handray an-tanana ireo vehivavy sy ankizy lasibatry ny herisetra izy io izay efa misy polisy miasa, miaraka amin’ny dokotera sy ny assistante sociale. Tanjona ny hahavitana ny fikarakarana rehetra eo anivon’ity hopitaly ity manomboka amin’ny fitsaboana izany ka hatramin’ny fandefasana ny antontan-taratasy eny anivon’ny fitsarana. Omaly no notokanana ny fotodrafitrasa niarahana tamin’ny UNICEF novatsian’ny vadin’ny filoha milina fanasan-damba miisa telo sy kidoro miisa 25.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT