Actualités

Hopitaly Befelatanana 8.000 isan-taona no miteraka ao


  • Alakamisy 19 Novambra 2015

Hopitaly Befelatanana 8.000 isan-taona no miteraka ao

 

Mahatratra 11.000 isan-taona ireo olona tonga manatona ny hopitaly etsy Befelatanana isan-taona, hoy ny profesora Rakotovao Hery, lehiben’ity hopitalim-panjakana iray ity. Ny 8.000 amin’ireo izay manome salan’isa 75 % dia vehivavy tonga hiteraka avokoa, tonga hitsabo tena ny ambiny toy ireo vehivavy manana olana amin’ny resaka nono, ny tranonjaza... Voasokajy ho sahirana ny 80 %-n’ireo olona raisina ireo ka misy ireo aterin’ny mpamonjy voina na fiarakaretsaka ao amin’ny hopitaly ary tsy hita mihitsy izay fianakaviany. Mba hahafahana manampy ireo mpiteraka ao amin’ity hopitaly ity sady hanamaivanana ny adidin’ny hopitaly ihany koa dia tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo ny orinasa Star omaly. Karazam-pitaovana maro no natolotra ny mpiteraka tsirairay nandritra izany. Miisa 500 izy ireo, fanomezana kendrena ho an’ireo mpiteraka rehetra mandalo ao Befelatanana mandritra ny iray volana. Tamin’ny taona 1957 no niorina ny hopitaly Befelatanana. Nanomboka ny taona 2006 ny fiaraha-miasany tamin’ny Star.

 

Pati

 

Nandritra ny fanoloran’ny orinasa Star fanampiana ho an’ireo tera-bao ao amin’ny hopitaly Befelatanana omaly (Sary Njaka)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT