Notoloran’ny “Principauté de Monaco” fitaovana ny Centre Hospitalier de reference District Manjakandriana. Fitaovana isan-karazany hoentina hanatsarana ny tontolo fitsaboana ao amin’ny CHRD ao Manjakandriana io natolotr’ireo vahiny avy any Monaco io
. Hanampy betsaka ireo mpitsabo amin’ny asany ireo fitaovana ireo. Ankoatra ireo fitaovana moa dia nahazo fanamiana tsirairay ireo mpitsabo eo anivon’izany CHRD izany. Tombontsoa lehibe ho an’ireo vahoaka mila fitsaboana ao amin’ity CHRD Manjakandriana ity ny nahazoana ireo fitaovana ireo. Velom-pisaorana an’ny Consulat general de Monaco ny ekipa rehetra ao amin’ny Hopitaly CHRD Manjakandriana izay tarihan’i dokotera Kiki Ramanandraibe. Manantena ny mbola hitohizan’ny fiaraha-miasa izy ireo.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.