Actualités

Hopitalin’ny Reny sy Zaza Tsaralalana Andoavam-bola hatramin’ny kabone


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

Velon-taraina noho ny fiovan-javatra misy eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalana ireo ray aman-dreny manan-janaka tsaboina ao an-toerana.

Nihatra nanomboka ny alatsinainy 16 aogositra mantsy ilay fanapahan-kevitra vaovao noraisin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana izay mampandoa vola ireo marary mila oksizena raha maimaimpoana izany teo aloha. 1.000 Ar isan’ora no vidin’ity fameloman’aina ity raha 20.000 Ar ny iray litatra. Toraka izany koa ireo kojakoja maro samihafa toy ny savony. Lasa andoavana 50 Ar koa ny trano fivoahana. Maro ireo misedra olana vokatr’izany, indrindra ireo marary ao amin’ny pavillon AKAMA. Renim-pianakaviana iray mananontena avy any Antsirabe, ohatra, no voatery nandao tsy fidiny ny hopitaly omaly noho ny tsy fananany vola ho enti-manana amin’izany. Dimy volana katroka izao no nahatongavan’izy mianaka tao amin’ity hopitaly ity. Sivy volana ilay zaza ary milanja 5 kg. Any amin’ny fony no misy maharary araka ny fanadihadiana natao izay miteraka fahasemporana ho an’ilay tsy manan-tsiny ka manempotra azy.

Mila oksizena hatrany io zaza io mandritra ny alina iray manontolo raha indraindray ihany amin’ny antoandro. Lasa andoavam-bola anefa ny fampiasana ny oksizena ankehitriny ka izao izy mianaka lasa nitodi-doha nody izao. Noho ny fandaniana be loatra natao teo anivon’ny hopitaly, araka ny fantatra, no nahatonga ireo tomponandraikitra ao aminy handray izao fanapahan-kevitra izao ka tsy misy intsony ny vola hampiasaina. Na izany aza tokony hisy ihany ny fijerena manokana ireo olona sahirana ara-pivelomana toy ity renim-pianakaviana mananontena ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT