Hiakatra eny anivon’ny borigady misahana ny ady heloka bevava (B.C) eny Anosy ny talen’ny famoahana sy ny tonian’ny fanoratana ao amin’ny gazety mpiseho isan’andro Free News anio.
Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay anton’ny fampiantsoana azy ireo. Raha ny resaka mandeha dia voalaza fa ny famoaham-baovao nataon’ity gazety ity mikasika ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana no antony. Namoaka lahatsoratra momba ity filohana andrim-panjakana ity io gazety io ny 20 mey, nampitondrainy ny lohateny hoe: “Mpitondra fanjakana manan-karena tampoka : nanangana trano mijoalajoala misy rihana 5 i Honoré Rakotomanana” no antony. Nodisoan’ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana io ka nanomboka teo no nisian’ny tsy fifankahazoana. Tetsy an-kilany anefa dia voalaza fa efa nanaiky hamoaka manontolo ny fanitsiana (dement) nalefan’ny talen’ny kabinetran’i Honoré Rakotomanana ity gazetin’i Lalatiana Rakotondrazafy ity. Efa nisy ihany koa ny fanelanelanana nataon’ny holafitry ny mpanao gazety mikasika ity raharaha ity. Tsy mbola nilamina ve izany ny raharaha, ka miitatra amin’ny sehatra avoavo kokoa, ka izay no hampiantsoana ny tompon’andraikitry ny Free News eny amin’ny BC avy hatrany ? Raha ny tranga mahazatra hatramin’izay dia azo antoka ny hiakaran’ny raharaha hatreny amin’ny fitsarana raha toa ka tsy misy ny fifandaminana sy raharaham-pihavanana ataon’ny roa tonta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.