Actualités

Holafitry ny mpisolovava Me Radson Solo no filoha vaovao


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010


Ity no tonga tamin’ilay teny malaza hoe : “1er Tour dia vita”. Vita ny sabotsy teo ny fanavaozana ny biraon’ny holafitry ny mpisolovava. Telo ny kandida nifaninana, hisolo ny toeran’ny Bâtonnier, Rakotomanana Hery, izay voatendry ho filohan’ny CENI, nandritra ny fifidianana natao ny sabotsy 23 oktobra teo. Nandrasan’ny maro ny vokatra teo amin’ny Me Radson Solo, izay mpisolovava diso fantatra loatra ankehitriny, izy rahateo dia ao anatin’ireo mpisolovavan’i Marc Ravalomanana sy ny vondrona Tiko, sy ny mpifanandrina nivantana taminy dia ny Me Ratovondrajao Fredon, mpikambana eo anivon’ny CENI ary mpisolovava mpanolotsain’ny FAT. Voafidy ho filohan’ny holafitra tamin’izany ny Me Radson Solo. Izy izany izao no Bâtonnier vaovao. Ho an’ny mpikirakira politika dia manana ny dikany lehibe io vokatra io. Fa ny fanontaniana mipetraka sy manitikitika ny maro dia ny hoe : ahoana moa izany izao ny toeran’ny filohan’ny CENI raha ny fipetraky ny rijan-teny manangana azy io no jerena ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT