Manamafy ny fanamelohana ny fanohintohinana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny endriny rehetra ny Holafitry ny mpanao gazety.
Nanotrona hatrany ny mpanao gazety Soava Andriamarotafika ny filohan'ny Holafitra, Rakotonirina Gerard omaly nandritra ny famotorana nataon'ny zandary azy teny Betongolo. Mampahatsiahy mandrakariva ny mpanao gazety rehetra ihany koa ny Holafitra hanaja ny etika sy ny deontolojian'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny fanatanterahana ny asany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.