Miankina amin’ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenena isanisany no ahafantarana na ampy na tsia ny isan’ny «experts comptables», hoy ny filohan’ny holafitra Razananirina Bruno. Raha ny zava-misy eto Madagasikara no resahana dia miisa 145 ireo mpikambana ara-dalŕna ao amin’ny « Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar»
hatramin’ny volana desambra 2014. Tsy mbola mahasahana ireo faritra rehetra eto Madagasikara aloha hatreto ireo matihanina momba ny kaonty ara-bola fa mijanona amin’ireo tanàn-dehibe fotsiny ihany. Midika ho tsy fahampiana ara-tarehimarika io trangan-javatra io amin’ny ankapobeny. Fanamarihana avy amin’ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny OECFM ity ny fampiharana ny politikan’ny fandraisana ireo mpikambana vaovao manomboka amin’ny taona 2015. Efa tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fikambanana rahateo ny handray «experts comptables» 25 na 30 isan-taona saingy tsy tratra io tanjona io noho ny krizy lavareny nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.