Loharanom-baovao iray avy ao an-dapan’ny Antenimieram-pirenena no nandrenesana fa mety hofoanana ny tetibola natokana ho an’ny fampandrosoana ifotony amin’ny alalan’ny CLD.
Tany am-piandohana izy io dia 200 tapitrisa isaky ny distrika manana solombavambahoaka iray, ary 300 tapitrisa kosa ho an’ny manana roa. Taty aoriana dia nokasaina hampitomboina, saingy izao dia zavatra hafa indray no re fa hofoanana tanteraka. Ho setrin’izay dia hizarana fiara tsy mataho-dalana ny solombavambahoaka. Mety hofoanana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izany io resaka famatsiam-bola ho an’ny CLD io. Tsy mandany vola kokoa ny fanjakana raha manambitamby ny depiote, izay hanamafisana orina ny fiandrianan’ny mpitondra tsy hokitikitihina. Raha izay tokoa ny zava-misy dia hatakalo fiara tsy mataho-dalana ho an’ny solombavambahoaka izany ny vola tokony ho amin’ny fampandrosoana ifotony. Fanjakana tsy sasatry ny mamono afo sy tsy manana vahaolana maharitra rahateo ny eto amintsika, ary hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola tsy marin-toerana hatrany, ka tsy maintsy mifehy sy manambitamby ny solombavambahoaka, izay toa efa mahalala ny fahalemeny ihany koa, ka zary manararao-paty amin’izany ny sasany. Isan’ireny ny resaka fitsipaham-pitokisana izay vao harangaranga dia tonga ny malety. Tsy hay indray aloha izany izay hiseho aorian’ny fivoahan’ity resaka ity, fa dia miandry ny rehetra hoe hihaino ny feon’ny fieritreretany ny solombavambahoaka, ka hampandefitra ny resaka famatsiam-bola hampandrosoana eny ifotony ? Ny tantara sy ny ho avy no hamaritra sy hitsara izany !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.