Somary maka aina kely ny sehatry ny fizahantany Malagasy ankehitriny. Indrisy mantsy fa tsy toy ny taloha intsony ny fankafizan’ireo mpizahatany vahiny ny ranomasimbe Indiana.
Na izany aza, fahombiazana no azo nandritra ny fampiantranoana ilay fihaonamben’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay farany teo izay nahazoana mpizahatany vahiny hatrany amin’ny 25.000 isa. Na izany aza, tsy tena misy fiantraikany mivantana amin’ny toekaren’i Madagasikara izany. Betsaka amin’ireo trano fisakafoanana sy hotely nitsangana tamin’iny taona 2016 iny mantsy no mitady mpanjifa tsy tapaka satria manome asa Malagasy mihoatra ny 1.000 isa. Tokony hitady izay fomba hahafahana mampitombo ireo mpizahatany vahiny tonga eto amintsika, araka izany, ny fitondram-panjakana. Tsy tokony hohadinoina anefa fa anisan’ny mitana andraikitra goavana ao anatin’izany ny ranomasina. Mihoatra ny 40.000 amin’ireo mpizahatany tonga eto amintsika mantsy no mandeha na miondrana amin’ny alalan’ny sambo avokoa. Sambo miisa 40 raha totaliana no mifamezivezy manerana ireo seranan-tsambo eto amintsika toy ny ao Toamasina, Antsiranana ary Anosibe sy Faradofay. Tafiditra ao anatin’izany ireo kaompanian-tsambo Italiana Costa Croisiere izay hany tokana mitatitra ny 2/3-n’ireo mpitsangantsangana an-dranomasina eto amintsika. Manodidina ny 640.000 Ar ny vola lanin’ny mpizahatany vahiny iray tonga amina seranan-tsambo iray eto amintsika, izay tena hitondra avo ny toekaren’ny firenena Malagasy tokoa raha voakarakara tsara. Midika izany fa tokony hojerena akaiky ny fiarovana an-dranomasina. Mbola olana anefa ny fisian’ireo jiolahin-tsambo sy ireo sambo piraty. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia efa miezaka ho amin’izany ny eo anivon’ny APMF sy ireo ivontoerana mpanome vaovao azy ho fitsinjovana ny fizahantany. Ny tanjona mantsy dia ny mba hahafahana miaro ny sisin-tany sy ny fivezivezena an-dranomasina eto amintsika
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.