Actualités

Hitarina ny «route des hydrocarbures» Hisy indray ny trano harodana


  • Talata 13 Jolay 2010

Hasiana fanitarana ka ho lasa 22 m ny sakany ary hahazaka fiara 4 miara-milahatra ny lalana “route des hydrocarbures” manomboka eny amin’ny sampanana Antanimena ka hatrany amin’ny toby fitsarana fiara Alarobia.

Fanamaivanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy fanatsarana ny endriky ny tanàna no antony hanatanterahana ny asa, araka ny vinan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny kaominina Antananarivo renivohitra, tompon’ny asa. Tsy nahavaha ny fitohanana ny fisian’ny lalana roa amin’ny an-daniny avy eo Ankorondrano anoloan’ny trano fitaratra satria 7 ka hatramin’ny 12 km isan’ora monja ny hafangainam-pandehan’ny fiara amin’iny faritra iny, hoy ny teknisianina iray, anisan’ny namolavola ny tetikasa. Namoaka drafitrasa roa izay mbola hisafidianana moa ireo teknisianina avy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany ka ny voalohany dia ny fanalehibiazana ny velaran’ny lalana hahazaka fiara efatra Antanimena – Alarobia izay handaniana lelavola 1.817.362.000 Ar. Ho an’ny drafitrasa faharoa indray dia ny lalana hatreo amin’ny Omert no atao mahazaka fiara efatra fa mihena telo kosa ny mankeo amin’ny toby fitsarana fiara Alarobia. Mihena kokoa ny enti-manana izay vinaina 1.376.782.000 Ar amin’ity soso-kevitra faharoa ity. Ireo orinasa eny amin’ny faritra iny ihany moa no asaina mandoa ny tetibola ilaina amin’ny asa ka izay indrindra no antony nampanantsoana azy ireo omaly teny amin’ny biraon’ny ministera Anosy hisafidianana izay drafitrasa mety amin’ny besimaro sy hamantarana ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay.

Efa–bolana no amitana ny asa izay tsy mbola voafaritra ny fanombohany satria miankina amin’ireo mpamatsy vola izany. Maro amin’ireo trano manamorona ny lalana voakasiky ny tetikasa no harodana na hakisaka saingy nanamarika ny ministry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo fa tsy maintsy atao izany hananana fotodrafitrasa tsara sy maoderina. “Ireo trano hazo manamorona ny lalana rahateo no tena voakasika”, hoy ihany izy. Fa tafiditra ao anatin’ny drafitra fanatsarana iny faritra iny koa ny fanitsiana ny lalana momba ny fanorenan-trano. Nivoaka ny herinandro lasa teo ny didim-pitondrana mitondra ny laharana 29 361/2010 izay manova ho Zone d’activités mixtes ny faritra Ankorondrano raha Zone d’extension Industrielle izy teo aloha. “Io didim-pitondrana io dia manome fahafahana manangana trano avo manome endrika ny tanàna”, hoy ny ministra. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT