Hita omaly maraina i Nancy na Razafindrahanta Haniriantsoa Nancy, raha notadiavina nanomboka ny sabotsy 13 janoary teo ity tovovavy 14 taona ity.
Tovovavy mipetraka eny Avaradoha izy no niala tao an-tranony, ka nifampitadiavan’ny fianakaviany sy nandefasana filazana fahaverezana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana misahana zaza tsy ampy taona. Natao fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria misahana ny zaza tsy ampy taona teny Tsaralalàna izy taorian’ny fahitana azy, izay marihina fa salama tsara.
LALAM-PIRENENA FAHA-34
Nisokatra omaly tolakandro ny fifamoivoizana ho an'ny fiara rehetra eny Matelona (PK 47 + 500), lalam-pirenena faha 34, izay mampitohy an'Antsirabe sy Miandrivazo. Amin'ny fahatapahan-dalana telo izay nisy tamin'iny lalam-pirenena iny dia ny ao Iandratsay (PK 53 + 700) sisa izany no asiam-panamboarana amin’izao fotoana.
TETIBOLAN’NY CUA
Tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fandinihana an'io tetibola io, hoy i Lalatiana Ravololomanana sy Lucie Razanabololona izay mpanolona monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo omaly, manoloana ny nandanian’ny filankevitra monisipaly ny tetibolan’ny kaominina 2018. Tsy mbola nisy angamba fotoana nilazan’ireto olona ireto zavatra tsara vitan’ny kaominina, kanefa izy ireo ao anatiny. Mitohy hatrany ny faminganana sy ny fanaratsian-tena toy ny omby hatsika.
FITIFIRANA TOVOVAVY
Mitady hanao raharaham-pihavanana amin'ny ray aman-drenin'i tompokovavy Tinah maty voatifitra tany Toliara volana vitsivitsy izay ilay karàna sy ny sipany izay voatazona any am-ponja amin'izao. Eo am-piandrasana ny raharaham-pitsarana mantsy dia "nanolotra omby 30 ho fanonerana" ny nataony ilay nitifitra, araka ny vaovao. Tsy nanaiky izany ireo ray aman-dreny ka nilaza fa ny valim-pitsarana ihany no manan-kery. Tsiahivina fa fifanolanana teo amin'ny samy Karàna no niseho kanefa dia notifirina niaraka tamin'ilay Karàna i Tinah izay maty teo no ho eo.
DIPLOMASIA
Nandefa taratasy fiaraha-miory tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy ny Mpanjaka Maraokanina Mohamed VI noho ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika, izay nisian’ny fatiolona sy fahavoazana samihafa. Tafakatra hatrany amin’ny 51 ny namoy ny ainy, saingy tsy nisy aloha ny resaka fisaonam-pirenena, izay efa fomba naha HVM ny HVM hatramin’izay.
KAOMININA IVATO
Tsy namela ho irery an'ireo traboina vokatry ny rivodoza Ava farany teo, ny Ben'ny tanànan'Ivato, Penjy Randrianarisoa fa naniraka ireo mpiara-miasa aminy hitondra fanampiana ara-tsosialy. Vary amin'ny gony, menaka, kabaro, voamaina isan-karazany, arina fandrehitra sy kojakoja samihafa no natolotry ny kaominin'Ivato ho an'ireo fianakaviana rava trano sy tsy manan-kialofana tao Mandrosoa Ivato. Napetraka ao amin'ny tranompokonolona ireo traboina. Notsinjovina ny fahasalaman'izy ireo ary nomena fanentanana momba ny fahadiovana izy ireo. Nazavaina tamin'ny alalan'ny herinaratra koa ny toerana misy ny traboina amin'ny alina mba hisorohana ny loza hafa mety ateraky ny firehetana noho ny labozia.
MANANARA AVARATRA
Tafiakatra 18 000 ariary ny litatry ny lasantsy any Mananara Avaratra, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza AVA.Velon-taraina ny olona satria mahatsiaro fa misy ny fanararaotana, niaka-bidy mihoapampana ohany koany anakamroan’ireo entanailaina amin’ny fiainana andavanandro.
SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO
Mbola tsy azo idiran’ireo olona sy fianakaviana manaraka na manatitra ny havan’izy ireo ihany ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato hatramin’izao.Mampiseho endrika ratsy manoloana ireo vahiny mpitsidika an’i Madagasikara anefa izany ary mahatonga azy ireo hanontany hoe : f’angaha moa tany miady ianareo no misy fepetra henjana be tahaka izao ety amin’ny seranam-piaramanidina.
RN 44
Efa afaka handehanan’ny fiara milanja latsaky ny 15 taonina ny lalam-pirenena faha 44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka amin’izao fotoana araka ny fanambaran’ny ministeran’ny asa vaventy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.