Actualités

Hiran’i Dada Lasa fanaovana fety !


  • Talata 09 Oktobra 2012

Fanindroany izay tamin’iny faran’ny herinandro iny no nahenoana teny an-dalambe ilay hiran’i Dada izay hirain’i Bodo iny.

 Ny voalohany dia irony fiara mpisotrosotro tetsy Mahamasina irony, izay efa nahazohazo moa ka dia teo ivelan’ny lapan’ny kolontsaina teo no nandefa ilay hira mafy dia mafy. Ny fanindroany kosa, ny sabotsy lasa teo tamina fetim-pianakaviana tamin’ny toeram-panaovana lanonana iray akaikin’ny renivohitra. Akory ny hagagana fa dia nalefan’ilay DJ ilay hira. Ary ny tena nahavariana dia sady nihorakoroka ny olona no nandihy avokoa.

Lasa ny saina ankehitriny fa tsy takona afenina intsony ny tsy fitiavan’ny besinimaro ity fitondrana baranahiny ity. Tsy misy tahotra na kely aza mantsy fa dia faly sy ravo ny olona vao manomboka fotsiny ilay feon-kira voalohany. Rehefa dinihina tokoa, inona no tokony hatahorana amin’izany ?

Nangonin’i Tevez

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT