Actualités

Hipoka tanteraka i Mahamasina, 40 mahery no torana, nisy ny naratra


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Ankoatra ny fiaretan-tory ny sabotsy nifoha alahady dia lamesa lehibe no natrehan’ireo mpino katolika tetsy amin’ny kianjamben’i Mahamasina omaly, ao anatin’ny fandalovan’ny taolambalon’i Don Bosco eto amintsika.

 Omaly rahateo moa no ivon’izany. Noho ny hafanana sy ny havizanana anefa ary ny fifanosehana dia 40 mahery ireo torana, nisy koa ny naratra. Tsy dia nisy fiantraikany loatra tamin’ireo mpino nameno kianja, nanotrona anefa izany.  Mpiahy ny tanora sy ny ankizy i Don Bosco. Efa ela no niara-niasa tamin’i Madagasikara ny fianakaviamben’ny Salezianina. Araka ny fanazavana dia efa hatramin’ny faha Mpanjaka, tamin’ny andron-dRanavalona no nanoratra taratasy ho aty Madagasikara i Don Bosco nangataka fiaraha-miasa ho fanampiana ny tanora.

Ny taona 1980 no tonga teto amintsika ireo Salezianin’i Don Bosco. Ankoatra ny fanabeazana ara-panahy dia nanampy ny tanora ny Salezianina tamin’ny alalan’ny fanofanana araka asa. Fotoana iray nanentanana ireo tanora Malagasy hijery lavitra, hiaro ny fahatanorany satria sarobidy loatra izany hatanorana ny fotoana vitsy nandalovan’I Don Bosco teto. “Mila miaro ny hatanorana ny tanora. Jesoa irery ihany no tanora tsy mamitaka”, nisongadina tetsy Mahamasina izany omaly. Mahamasina izay feno olona tanteraka. Amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana, dia hihazo an’i Moramanga ny taolambalon’ity olomasina. Avy eo dia ho any Toamasina mialoha ny hitondrana azy any Mahajanga i Don Bosco.

Nangonin’I Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT