Actualités

Hevitry ny olona


  • Alakamisy 09 Septambra 2010

Mpifanandrina ara-politika no ilazana ireo filoha telo mirahalahy, Ratsiraka Didier, Zafy Albert ary Ravalomanana Marc. Ankehitriny anefa, tao anatin’izao krizy izao dia nampiseho izy ireo fa afaka mifandray tanana rehefa tia tanindrazana. Milaza ho manana fanantenana amin’izay ho fandresen’ny fivondronan’ireo hery telo ireo ny olona sendra ny gazety Tia Tanindrazana.

Anja, mpiasam-panjakana : “Tamin’ny fiandohana aloha dia nahasorena ahy ihany satria Ratsiraka dia nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana. Nentina am-bavaka anefa ny tolona ary dia niasa ny Tompo ka zava-dehibe ny fisian’ny fifandeferana ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Nanaiky aho. Ny zavatra andrasako amin’izy ireo dia hoy ny fahendrena Malagasy hoe ‘ny toko telo mahamasa-nahandro’. Zava-dehibe izay ka hivoaka mpandresy isika”. 

Tantely, mpampianatra : “Marina fa mpifanandrina izy ireo teo aloha, samy nanana ny tanjony sy ny zavatra nokendreny. Ho ahy manokana, ny fanantenana, tsy mbola misy fa ny iriako dia ny iarahan’izy ireo manala an-dRajoelina; avy eo dia tokony hiaraka hisalahy hampandroso ny firenena, tsy hisy intsony fitiavan-tena ka hialana ny gaboraraka. Takiana amin’ny Ankolafy Telo ny tsy hisiana fanonganam-panjakana intsony eto amin’ny firenena”.  
 
Faly : “ny fahitako azy dia Andriamanitra no nampitambatra azy telo mirahalahy. Ankehitriny dia mahatsapa tena izy ireo fa misy adidy tsy vitany teto amin’ity firenena ity. Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony. Misy fanantenana ihany anefa. Ankehitriny, mifankatia kokoa, satria hamerina ny hasin’ny maha Malagasy”.
 
Randriamboavonjy : “zarazaro anjakana no natao teto amintsika teo aloha hany ka lasa mpifahavalo ny mpiray firenena. Vokany, potika ny tanindrazana. Amin’izao dia karazan’ny hoe : tantara sisa izany noho ny fivondronan’izy telo mirahalahy. Tsy nampoizina ny fitambaran’izy ireo ka tsy azo kitihana intsony i Madagasikara amin’izao satria efa niova ny tantara”.
 
 
Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT