Actualités

Hevitry ny olona


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Raha nisy nahatonga izao krizy tsy mety mahatafavoaka an’i Madagasikara izao dia resaka politika. Mahatsiaro ho lasibatr’ireo mpanao politika ireo sendra ny gazety Tia Tanindrazana. Amin’ny ankapobeny, dia tsy mametraka ny fanantenany amin’ireo mpanao politika ireo ny ankamaroan’ny olona.

Ony, renim-pianakaviana : “Kilalao maloto no ataon’ireo mpanao politika eto amintsika. Vokany dia izao fahapotehan’ny firenena izao, miha mahantra ny vahoaka, mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra izay dia eo koa ireo mpamadika palitao ho fitsinjovany ny tombontsoany manokana. Androany hafa ny heviny, rahampitso, hafa indray ny lazainy. Dia ho aiza isika ?” 

Mialivololona, Ambatomirahavavy : “Ireo mpanao politika nanodidina ny filoha Ravalomanana no nahatonga izao satria dia namadika izy ireo. Ho ahy manokana dia tsy hivadika amin’ny hevitro izany mihitsy aho”.
Faratiana, mpianatra : “ny politika no nanimba ny fianarako. Tsy mahatanty demokrasia ny mpanao politika gasy. Tsy hainy akory ny mandanjalanja ny politika ataony, tia tena ary tsy mihevitra ny vahoaka izany fa rehefa mahazo toerana dia izay”.
Mialy, renim-pianakaviana : “Jereo fotsiny ireny zava-nitranga teny Vontovorona ireny dia ianao mamaly hoe manao ahoana tokoa moa izany mpanao politika gasy izany. Jiolahimboto ! Toy ireny ve ny hoe fitadiavana vahaolana, dia vahaolana sahala amin’ny ahoana no azo antenaina fa hivoaka ao ? Kely ny finoako”.
Raim-pianakaviana, tsy nitonona anarana : “raha ny hevitro dia tokony hofoanana any ny mpanao politika eto amintsika. Manimba sy mangalatra fotsiny no tena ataon’izy ireo”. 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT