Lasa lalina dia lalina, potika tanteraka ny firenena ary ao anatin’ny haizina tanteraka. Izay no fahitan’ireo raimandreny mpitondra fivavahana mivondrona ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF).
Anisan’ny zavatra notsipihin’izy ireo nandritry ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly ny zava-misy any Atsimo, nanehoan’izy ireo sary mampihoron-koditra. Ankizy an-jatony 12 ka hatramin’ny 15 taona matimaty foana voatifitra na notapahan-doha. Araka ny fahitan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia misy hosoka avokoa izay vahaolana aroso, eny hatramin’ny sori-dalana, dia tsy fantatra intsony ny nanao azy. Eo koa ireo milaza azy ho fiarahamonim-pirenena kanefa ao anatina movansy ihany. Hany ka simba, tsy mety mifamela ny Malagasy, tsy misy koa ny fahamarinana, hoy ny pastera Randriamisata Roger. Ny zavatra goavana toy ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena sy ny zavatra marina alentika, hoy ihany izy fa ny olona manao fihetsiketsehana mitaky ny Fahamarinana dia enjehina.
Manoloana izany dia “tsy maintsy mitsangana ny olom-pirenena, indrindra fa izahay mpanompon’Andriamanitra”, hoy ihany ny mpitandrina Randriamisata Roger. Ary raha ilain’ny firenena ny hitaritanay olona hidina an-dalambe dia vonona izahay. Amin’izao aloha dia mila ampiana ny olona hifoha, hahatsiaro tena fa tsy mety izao zava-misy izao. Manoloana izany indrindra dia hanao fotoam-pivavahana lehibe ny HMF rahampitso voalohan’ny volana novambra tolakandro.
Ao Antsahamanitra no hanaovana izany ary hiantsoan’ireto mpitondra fivavahana ny rehetra, na olon-tsotra, na mpitondra fivavahana na iza na iza mba hanafahana ny firenena. Nambaran’ny HMF ihany koa fa tsy hijanona ny hetsik’izy ireo hitadiavana ny Fahamarinana manomboka eto. Araka ny fanazavana ihany dia vahaolana iray ihany no hita dia ny fahatsiarovan-tenan’ny rehetra, ny mpanao politika sy ny vahoaka mba hifamela. Tsy misy ankoatra izay, hoy ny HMF. Mila mahatsiaro tena ireo mpitondra ankehitriny, hatahotra an’Andriamanitra ka hiala satria tsy tokony hampijaliana toy izao ny vahoaka, hoy ireto raimandreny am-panahy ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.