Mandeha indray ny feo ankehitriny fa misy olona ambony ao ambadik’ilay hetsika «Tsy misy mila aketo niany» any Toamasina.
Izy ity moa dia fitakian’ireo mpiasa vita fifanarahana tamin’ny tetikasa Ambatovy ny mba hanomezana azy ireo ny ambarany fa zony, dia ny vola 6 tapitrisa Ariary isan’olona. Manampy ireo dia misy koa ireo mpiasa sy olon-tsotra milaza fa niharan’ny tsy rariny nataon’ny tetikasa Ambatovy ka mitaky vola atao karazana onitra ho azy ireo. Raha araka ny tsiliantsofina re dia nisy vola 5 tapitrisa Ariary nanetsehana an’ireo olona ireo tao Toamasina tao, hidina an-dalambe, ary avy aty Antananarivo io vola io. Isika moa anaty krizy amin’izao fotoana ka efa mateti-pitranga ihany ilay tsy maintsy misy ambadika politika foana ny ankamaroan’ny hetsika fitakiana, ary tsy voatery ho ireo ambara fa mpanohitra no ao ambadik’izy ireny fa misy koa ny manampahefana tena tsara toerana no mety manana tanjona manokana, ka manetsika sendika na fikambanana na antoko politika. Hatramin’ny voalohany dia efa niarahan’ny rehetra nahalala fa tsy dia manga loatra ny lanitra eo amin’ny fifandraisan’ny fitondrana tetezamita sy ny Tetikasa Ambatovy.
Efa nisy mihitsy ny resabe nilaza fa nitaky volabe tany amin’ity orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany ity, ny fanjakana Malagasy (?) saingy samy nitsipaka ny fisian’izany moa ny roa tonta. Mbola tsy mazava amin’ny maro ihany koa ilay 50 tapitrisa dolara nomen’ny tetikasa Ambatovy ny fitondrana tetezamita sy ilay 25 tapitrisa dolara nambara fa atao antoka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny fitantanana io 25 tapitrisa dolara io koa anefa no voalaza anton’io fihetsikesehana an-dalambe io, indrindra taorian’ny nilazan’ny Tetikasa Ambatovy mazava fa ry zareo ihany no hitantana io vola io. Tokony ho efa vita taloha ary voarakitra ao anatin’ny fifanarahana anefa izany, ary tsy hiverenana aty aoriana intsony ka nahoana no misy fanomezana vola be tampoka eo ? Azo heverina fa paikady hanakorontanana ny tetikasa Ambatovy io hetsika io mba hahafahana manery ny orinasa indray hamoaka vola hanitsy ny fifanarahany amin’ny fanjakana Malagasy. Enim-bolana fotsiny ihany rahateo ny fanomezan-dalana nomen’ny fanjakana hahafahan’ity tetikasa ity manondrana ny vokany. Dia ahoana avy eo ? Eo isika mahita izy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.