Actualités

Hetsika Tsena B Ho sahaza ny poketra rehetra


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

6 andro sisa dia higadona etsy amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka ny andiany voalohany amin’ilay hetsika Tsena B izay hotontosaina ny 8 ka hatramin’ny 10 desambra izao.

 Tsenaben’ny kalitao no namaritana ny fiavahan’izy ity amin’ireo hetsika ara-barotra nisy hatramin’izay ary nilaza ny mpikarakara fa tsy mbola nisy toy ity hetsika ity hatramin’izay. Ho hita ao avokoa ny entam-barotra rehetra manomboka amin’ny mofogasy hatramin’ny fiarakodia, hoy ny manampahaizana manokana momba izay resaka kalitao izay, Bernard Rasolofo. Hatramin’izay dia noheverin’ny rehetra fa izay mamirapiratra sy mafy ihany no antsoina hoe kalitao, hoy ny tenany, kanefa raha iverenana ny famaritana nanomboka ny taona 1975 dia ny zavatra rehetra mifanandrify amin’ny mpampiasa azy no atao hoe kalitao satria kaliana ny tao, hoy ny famaritan’ny Academia Malagasy  ny taona 2000. Tsy hisy mpitondra fiarakaretsaka hampiasa limozinina, hoy ny tenany, satria tsy ilainy izany ka tsy kalitao aminy. Ho sahaza ny poketra rehetra ny entana rehetra ho hita ao. Miisa 300 moa ireo tranoheva handray anjara.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT