Nisedra olana tanteraka ireo mpiantsena teny Analakely sy ny manodidina ny sabotsy teo. Tafiditra tao anatin’izany ireo mpaka entana avy any amin’ny faritra.
Tapitra nihidy avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo trano fivarotana lehibe teny an-toerana nanomboka teny Ambohijatovo ka hatrany Behoririka. Ny zoma alina lasa teo dia efa tapitra nangoron’entana ny ankamaroan’ireo magazay lehibe mpivarotra finday sy solosaina, raha araka ny fanadihadiana natao, raha nampitsahatra tsy nisy hatak’andro ireo mpiasany mba tsy hiasa kosa ireo toeram-pivarotana Sinoa teny Analakely sy ny manodidina. Tahotry ny ho voaroba avokoa no nambaran’izy ireo fa anton’izany, tranga izay efa nisy teto amin’ny firenena nandritra ireo tolom-bahoaka nifanesy. Ankoatra ny mpivarotra dia betsaka tamin’ireo olona nampiasa ny fiara fitateram-bahoaka toy ny taxi-be ihany koa no voatery nandeha tongotra. Ho an’ireo taksibe laharana 133 miantsona eny Analakely ohatra dia teny Ampefiloha avokoa izy ireo no nijanona ny Sabotsy teo raha tsy nisy nety niakatra tao Analakely ihany koa ny fiara karetsaka. Betsaka ireo nisedra olana vokatr’izany saingy tsy afa-nanoatra. Santionany amin’izany ireo olona sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Rado, Raim-pianakaviana 33 taona : Za zao tena maty antoka 20.000 Ar tamin’ny sabotsy satria tsy afaka nivarotra. Mpivarotra hani-masaka mandehandeha eny Analakely mantsy no asako saingy noho iny tranga iny dia tsy afaka nikarama toy ny isan’andro ny tena.
Haja, Renim-pianakaviana 32 taona : Ny ahy indray ilay tsy fisiana taksibe tao Analakely no tena nanahirana ahy. Voatery niodina tany Ankadifotsy aho nandeha an-tongotra vao afaka niakatra teny Faravohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.