Actualités

Hetsika ho an’ny fanovana Hangotraka ny any Toamasina anio


  • Sabotsy 05 Mey 2018

“Malalaka ny hetsika ataon’ny depiote eo amin’ny tany malalaky ny lapan’ny tanàna; saingy aoka samy hanaja ny lalàna velona ny rehetra amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.

Tsy hanaiky fa tsy maintsy mandray fepetra ny mpitandro ny filaminana raha misy ny mihoa-pefy ka hiteraka korontana”, hoy ny teo anivon’ny Emmo-Reg raha nanontaniana mikasika ity hetsiky ny depioten’ny fanovana hanao hetsika faharoa ao Toamasina anio sabotsy tolakandro ity. Efa saika tonga any an-toerana hatramin’ny omaly avokoa ireo depiote hitarika izany, izay ahitana ny depioten’i Mahanoro Naharimamy Lucien Irma, ny depioten’i Toamasina I Famindra Justin, ny depioten’i Toamasina II Roilahy Jonah ary ny depioten’i Soanierana Ivongo  sy ny depioten’i Vavatenina ary ireo depiote roa lahy avy ao Moramanga sy Ambatondrazaka. “Tsy misy ny hatahorana amin’ny fandaminana”, hoy ireto depiote ireto, satria efa vonona avokoa ny rehetra, ny vahoaka rahateo efa sasa-miandry izao hetsika izao . Anisan’ny hanafana ny hetsika anio tolakandro amin’ny 2ora ny tarika Dah’mama.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT