Actualités

Hetsika Fagnomba Mandrahona ny hampikatso ny asan’ny QMM


  • Zoma 22 Oktobra 2010


Mitatra any Tolagnaro ny aretin’ny Tetikasa Ambatovy tao Toamasina. Mamofompofona zavatra hafahafa koa mantsy ny resaka fampidirana mpiasa eo anivon’ny QMM, orinasa mitrandraka fasimainty ao Mandena. Mitaky ny hampidirana ireo tanora tsy an’asa rehetra ao an-tanàna hiasa ao ny “Hetsika Fagnomba”. Mandrahona ny hitokona ireto farany manomboka amin’ny alatsinainy ary hampikatso ny raharaha ao Mandena raha tsy misy valiny ny fitakian’izy ireo. Nisy mihitsy hatry ny omaly ny antsoantso nataon’ity “Hetsika Fagnomba” ity eran’ny tanàna. Nisy fivoriana niarahan’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitry ny QMM, tao amin’ny efitranon’ny Antenimieran’ny Varotra ao Tolagnaro nandinihana io raharaha io, omaly. Miendrika fanerena ihany anefa ny an’ny “Hetsika Fagnomba”. Raisin’ny QMM ny zanak’i Faradofay tsy an’asa fa tsy olona avy any ivelany no ampidirina ao. Aleo izany hodinihina, hoy ny QMM. Nanatrika ity fihaonana ity ireo Raimandreny Mijoro ao an-toerana, ary mandeha ny feo fa ao andamosin’ity fikambanana ity izy ireo, ka dia ho hita eo ny tohiny.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT