Tena niala vonkina niala amin’ny tontolo mirotoroto isan’andro Antananarivo tamin’ny andron’ny alatsinain’ny paska 2015.
Saika feno olona avokoa ireo toerana fialana voly teto an-drenivohitra teto omaly fa nisongadina kosa ny tetsy amin’ny tokotany malalaky ny CCESA Antanimena sy ny tetsy amin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha izay tena nitorajofo ara-bakiteny tokoa fa niara-nandihy tamin-dry Black Nadia sy Tence Mena tamin’ilay Face à Face nifanaovan’izy mirahavavy ireto. Nilaza Atoa Rafaralahy Roger tompon’andraitry ny Volkan Prod nikarakara ny hetsika fa tafita ho azy ireo ny hafatra fa tonga teo amin’ny nanantenany azy ny zava-nitranga teto amin’ity kianja malalaky ny ANS ity, tao amin’ny heriny i Tence mena sy Black Nadia ary i Khaleb izay sambany niantsehatra ankalamanjana teto Iarivo ary nahatontosany ny andraikiny i Stephanie. Sambany moa izahay mba nahazo toerana malalaka tahaka izao teto Antananarivo ka voaporofo ny fitiavan’ny olona lanona teto sy nanehoany ny tena fankafizany sehatra malalaka. Mbola mampanantena izahay fa hotazonina ny toerana amin’ny alatsinain’ny pentekosta ho avy ary ho fantatra ireo mpanakanto hiantsehatra fa mialoha izay ny 18 aprily 2015 dia ho any Ihosy hiaraka amin-dry Daddy love ny Volkan Prod ary any Ilakaka ny 19 aprily.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.