Ho fampiharana ny lalàna 2014 /020 ny volana aogositra 2014 sy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2017,
ary ny didy fampiharana mitondra ny laharana 093-CUA /CAB.17 navoakan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, dia didian’ny lalàna ny fandoavana hetra amin’ireny tsangam-by « pylône, Relais, Antennes aux Mats » ireny. Araka izany dia manentana ireo mpandraharaha na orinasan-tserasera rehetra izay mbola tsy nanome antontan’isa sy antotan-kevitra mikasika ny « Pylône, relais, Antennes aux Mats » na amin’ny tanim-mpanjakana na olon-tsotra, mipetraka amin’ny tafotrano na amin’ny tany mba hanatitra ny isan’ny fitaovana hampiasainy, ny toerana misy azy, daty nanaovana azy sy ireo « référence fiscale » an’ny orinasa, eny amin’ny biraon’ ny DMR (Direction des Mobilisations des Ressources) eny amin’ny kianjan’i Mahamasina, mba hanaovana « Base de données » ahafana mahafantatra ny mombamomba azy ireo. Ny 15 oktobra 2017 izao no farany fandefasana ny taratasy sy fandoavana ny hetra. Mbola 200 ao anatin’ny 700 ny mpandraharaha nanatitra ny taratasy mikasika izany any amin’ny kaominina Antananarivo. Eo ihany koa ny fanentanana ny fandoavana ny « taxe de séjour » na hetra ho an’ireo mampiasa efitranom-bahiny eto Antananarivo Renivohitra izay aloha isam-bolana alohan’ny fahafolon’ny ny volana hitsahana, ary tsy maintsy hefaina. Eny amin’ny Biraon’ny kaominina eny Tsimbazaza varavarana faha- 61 indray no hanaterana ny « Base de Données » mikasika ny « site d’hébergement » na trano fandraisam-bahiny. Marihana fa etsy amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely ny fandoavana ny hetra rehetra mikasika izany araka ny voalazan’ny Lehiben’ny Sampan-draharaha momba ny fikirakirana ara-bola, Rakotoarisoa Andry.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.