Actualités

Hery Rakotomanana filohan’ny CENI Afaka maka bileta tokana ireo hanao fanentanana !


  • Alakamisy 04 Novambra 2010

Afaka maka ny bileta tokana eny amin’ny foiben’ny CENI eny Alarobia avokoa ny vondron’olona na fikambanana izay manentana sy mampianatra ny olom-pirenena momba ny resaka fifidianana, izany hoe manao “education électorale” sy propagandy, araka ny nambaran’ny filohan’ny CENI ny maitre Hery Rakotomanana raha tafaresaka tamin’ny Gazety Tia Tanindrazana izy omaly.

Na ny mpanohana ny Eny na ny mpanohana ny Tsia dia afaka maka izany vatom-pifidianana izany ka mampiasa izany amin’ny fanentanana na fampielezan-kevitra ataony, tsy maintsy ampahafantarina ny olona mantsy ny fomba fanao amin’ity bileta tokana ity, satria niova amin’ny mahazatra antsika tao anatin’ny 50 taona isika, araka ny fanazavany ihany.

Nitondra io fanazavana io moa Atoa Hery Rakotomanana manoloana ny fiparitahan’ny bileta tokana efa voamarika eo amin’ny Eny any Moramanga. Tsy maintsy mangarahara ny fifidianana, araka ny nambaran’ity filohan’ny CENI ity satria vata tantera-pahazavana (urne transparente) no ampiasaina amin’ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny nosy. Ho an’ireo tsy resy lahatra amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra kosa anefa dia tena zava-doza ireny nitranga tany Moramanga ireny, satria azo atao tsara izany ny maka vato maro be, dia marihana X avy hatrany eo amin’ny Eny na Tsia, dia iny no zaraina amin’ny olona ka asaina arotsany ao amin’ny vata fandatsaham-bato rehefa tonga ny fifidianana.

Midika izany fa tsy tena ny safidim-bahoaka no hivoaka fa safidy araka ny lamina maty paika efa napetraka tany ambadimbadika tany. Ny olona any ambanivohitra rahateo somary malemy fanahy sy matahotra ary fatra-panaja manampahefana izay, ka tsy tokony hahagaga raha toa ka mahazo tombon-dalana ny mpitondra. Hoy indrindra ny mpitolona iray avy ao amin’ny ankolafy 3 manoloana ity resaka ity manao hoe : “raha tsorina ny resaka dia tsy kely lalana ny ratsy ary mahita paika sy tetika foana hampandresena ny heviny ny mpitondra ary tsy fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy no tian’ny FAT  atao eto fa fampandaniana ny Eny”

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT