Actualités

Hery Rajaonarimampianina Miaro mafy ny Sinoa tao Soamahamanina


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Natokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hanazavana ny antony hanatsarana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Chine ny fandaharana Fotoam-bita andiany faha -6 nivoaka ny faran’ny herinandro teo.

 

45 taona izao no nifandraisan’ny roa tonta, hoy ny filoha ary aoka tsy hohadinontsika fa firenena faharoa manankarena indrindra aorian’i Etazonia i Chine. Fiaraha-miasa tsy misy fanambakana no atao, hoy i Hery Rajaonarimampianina, masi-mandidy isika eto amin’ny tanintsika. Efa nambarako tamin’ny filoha Sinoa Xi Jiping, hoy izy, tamin’izahay nihaona fa ampiharina ny lalàna amin’ireo tsy manaja izany. Nandritra io fandaharana io no nilazan’ny filoham-pirenena ny heviny momba ny raharaha Soamahamanina. Ara-dalàna tsara ny fitrandrahana nokasain’ny Sinoa natao tao Soamahamanina, hoy ny filoham-pirenena ary tena hahita tombontsoa  amin’izany ireo mponina ao an-toerana. Saingy indrisy fa noho ny resaka politika dia nahery vaika ny fanoherana ka tsy raikitra ny fitrandrahana. Lasa natao resa-be ny hoe mivarotra tanindrazana ny mpitondra, kanefa rehefa tena natao ny fanadihadiana ifotony dia tetikasa tahaka ireny Soamahamanina ireny izay goavana tokoa no tena ilain’ny mponina. Efa nitrandraka volamena ny mponina tao an-toerana ary raha tonga ny Sinoa dia tonga hiara-kiasa, izany hoe fanampiana no omena ny mponina mba ho matihanina kokoa. Tsy misy resaka tambiny hafa toy ny hoe fanamboarana ny lalan’ny frankôfônia mihitsy ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa fa asa manaraka ny lalàna sy  ny fifanarahana iraisam-pirenena ary mangarahara izany, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Nanenjika hatrany ireo mpanao politika moa ny filoham-pirenena raha nilaza fa noho ny fahasahiranana sy fahantrana mianjady amin’ny vahoaka dia misy ny mamendrofendro sy mampirisika ny hambolena korontana, mba hiampangana ny fitondrana hoe : tsy mahavita azy sy tsy mahafehy ny firenena. Mbola hitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Sinoa amin’ny resaka fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa, raha araka ny nambarany hatrany. Tsikaritra eto fa tena miaro tanteraka ny Sinoa ny filoham-pirenena Malagasy ary mihevitra angamba fa ny Sinoa no hanatosaka volabe eto. Raha voaara-maso tokoa moa ny ataon’ny Sinoa eto, tsy misy mandà fivoarana saingy maro be ny zavatra tsy mety sy tsy rariny ataon’ny Sinoa raha tsy hilaza afa-tsy ny eto an-drenivohitra fotsiny, ohatra. Mba mahita an’ireny ve ny fitondrana foibe sa tena jamban’ny fampanantenana vola be ka ny mpanao politika foana no omena tsiny sy atao fialana bala amin’ny gaboraraka momba ny fitantanana ny firenena ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT