Re fa handeha ho any Moscou Renivohitr’i Rosia indray ny Filoham-pirenena Malagasy atsy ho atsy, raha ny loharanom-baovao azo. Mazava ho azy aloha fa hitangirika sy hitavandra vola sy hitady fiaraha-miasa no tanjona.
Henika azy izao tontolo izao, saingy tsy misy vokany amin’ny ankapobeny fa ny vola sy ny fotoana fotsiny aza no lany. Nandeha tany Frantsa ny 1-2 desambra 2016, ary nahazo fampanantenana ny hahazo 10,2 miliara dolara. Tsy nisy mandrak’androany izany kanefa nireharehan’ny fanjakana HVM fatratra. Nandeha nihaona tamin’ny filoha Sinoa tany Sina indray ny volana martsa 2017, saingy tsy hita aloha izay tena vokatra nentiny herintaona aty aoriana. Ny mpandraharaha sinoa eto Madagasikara aza misy ny mangoron’entana noho ny endrika antsojay mahazo azy. Mahakely finoana ny hahazoan’ny fanjakana HVM rirany any amin’ny Rosianina rehefa tsy nahomby tany amin’ny Frantsay, Sinoa,… Fomban’ny firenen-dehibe ny mandray sy mifampiresaka, ary tsy hisy handa ankitsirano izany fa amin’ny alalan’ny fomba ara-diplomatika. Na aiza na aiza eto ambonin’ny tany dia tsy hisy hanome vola amin’ny firenena ratsy tantana izany velively. Miteny ho azy ny tarehimarika eto amintsika, ary ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no namoaka ny maha isan’ny tompondakan’ny fanaovana kolikoly antsika. Niharatsy hatrany ny naotin’i Madagasikara noho ny kolikoly hatramin’ny nitondran’ny fanjakana HVM satria very toerana 33 tao anatin’ny 4 taona nitondran’ny HVM, ary laharana 155 amin’ny firenena 180 ny taona 2017. Ny tahan’ny tsy fandriampahalemana sy ny vono olona, ny faty olona mirarakopana, ary ny fakana an-keriny, dia ity fitondrana HVM ity no tompondaka. Lojika raha tsy mahazo fitokisana, hany ka tsy misy vokany ny fitangirihana vola etsy sy eroa, ka ny tombony ho an’ny mpitondra dia ny filibana sy ny fandanilaniam-poana ny volam-panjakana any ivelany. Ny resaka tetikasa lehibe nambara fa hiarahana amin’ny vahiny aza mitsingevaeva, toy ny fananganana ny faritra manokana na ZES (Zone Economique Spéciale) aza io nokianin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena io. Tsy ao anatin’izao fotoam-pifidianana izao mihitsy ihany koa no hisian’ny fifanarahana lehiba na tetikasa goavana tahaka izany hijoro, satria mailo ihany koa ny vahiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.