Actualités

Hery Rajaonarimampianina Fototry ny loza


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Manomana fatratra ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy manaraka eo ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina.

Nihazakazaka nitety faritra izy tato ho ato, ary mety hisesy. Ny votoatin-kabariny ihany koa efa manomana ny sain’ny olona amin’izany. Ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, antokony etsy an-kilany manosika ny hirotsahany amin’ny fifidianana io. Tsy nanana fototra politika niakarana eo amin’ny fitondrana aza anefa i Hery Rajaonarimampianina, tsy nanana olom-boafidy na dia izay aza ny HVM nisy azy, nefa izao no zava-misy eto Madagasikara vao telo taona nitondrana. Tsy misy fitoniana politika, sesilany ny fanenjehana sy fampidirana am-ponja ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Mandry tsy lavoloha ny Malagasy na an-tanàn-dehibe na any ambanivolo amin’ny tsy fandriampahalemana. Mihamahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, midangana ny vidim-piainana, ny tsy fanarahan-dalàna manginy fotsiny, ireo mpanolotsainy amin’io samy mampiteny ny anarany. Izao ny HVM efa nahavita nametraka Ben’ny tanàna arivo mahery manerana ny Nosy sy Loholona HVM ankoatra ireo olom-boatendry manompo HVM … Tsy vao mainka hanampatra ny fahefany sy heriny raha sanatria mbola voafidy hitondra ny firenena amin’ny fifidianana ho avy eo, amin’izay vao ho loza amin’atambo no hitranga ! Hisorohana an’izay no nilazan’ny antoko Marina fa tsy tokony hirotsaka hofidiana filoham-pirenena i Hery Rajaonarimampianina aorian’ny fahataperan’izao fe-potoam-piasany izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT