Actualités

Hery Rajaonarimampiana Mpananihany sa mpandainga ?


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Nilaza i Hery Rajaoanarimampianina nandritra ny fitokanany ny tetezan’i Kamoro ny alatsinainy 17 jolay teo, fa tsy vaovao marim-pototra ny fametraham-pialan'ny minisitry ny fitantanam-bolam-panjakana,

 kanefa ity farany aza nilaza fa efa natolotra ny filoha ny zoma 14 jolay ny taratasy momba izany tamin’ny filoha. Somary nanakiana ny mpanao gazety ho mpamorona sy mpanely tsaho aza ny fanehoan-keviny tamin’ny fanambarany fa tsy mbola naheno an'izany tsy fitoviam-pijery, izay nambaran’ny minisitra izany izy. Tsy niandry ela taorian’izay fanehoan-kevitra izay ny fametraham-pialana ofisialin’ny minisitra Gervais Rakotomanana, toa nanabaribary ny lainga marivo tototry ny filoha, izay niezaka nanafina ny tsy fifankahazoana sy ny olana ao anatin’ny governemanta. Tsy kilalaon-jaza ny fitantanana ny raharaham-pirenena saingy tsy mahataitra sy mbola anaovan’i Hery Rajaonarimampianina hanihany sy lainga. Efa minisitra mitazona andraikitra ara-stratejika sy tena ain-dehiben’ny firenena no mametra-pialana saingy na izy tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny firenena aza mody adala. 

Havanana amin’ny lainga sy fampiesonana

Nolazain-dRajaonarimampianina, fa 3 volana dia mivaha ny olan’ny delestazy, raha izy no lany filoham-pirenena, saingy ny nifanohitra tamin’izay no niseho ary ny vahoaka Malagasy aza ankehitriny vao mainka tototry ny fidangan’ny vidin’ny herinaratra, kanefa mbola mampanantena poak’aty indray fa handrakotra herinaratra an’i Madagasikara. Nilaza fa handray an-tanana ny fampihavanam-pirenena, saingy fananganam-pahavalo no misy noho ny hakanosana noho ny tahotra ho very seza no misy satria fanjakana mitsipozipozy sy halam-bahoaka no misy eto, ka miantehitra amin’ny herim-pamoretana sisa. Nambara fa efa miverina ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Aiza ho aiza anefa izao ny momba an’ilay 10 miliara mahery nampanantenain’ny mpamatsy vola taorian’ny fivoriana tany Paris ny 1-2 desambra 2016 ? Saika ireo famatsiam-bola efa mahazatra, toy ny sosialy izay mandeha foana no hireharena, fa izay vokatry ny ezaky ny mpitondra tsy hita izay tena misongadina. Ny tena loza aza dia toa mijapy masinina sy mitokana ny tsy tena nisasarana, toy ny tany Toliara satria voalaza fa zava-bitan’ny Ben’ny tanàna sy tetikasa tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny TIC ny ankamaroan’ireo notokanana tamin’ny volana jona teo. Toy izany ihany koa ny tetikasa lehibe hoenti-manondraka ny lemak’i Mangoky, izay efa tamin’ny andron’ny tetezamita no nampanantenain’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) hovatsiana vola, saingy ny fanjakana HVM no mirehareha fatratra amin’ny tsy tena nisasarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT