Actualités

Hery Rafalimanana Manohy hatrany ny fifanomezan-tanana


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Taorian’ny niahiany ny famoahana ny andiany Hazavana 2012 nivoaka tao amin’ny LTP Ampefiloha farany, dia nanolo-tanana ny ekipa mpilalao rugby ao amin’ny TAM Anosibe izay niatrika ny lalao baolina lavalava tamin’ny ekipan’ny Saint Paul La Réunion tetsy Mahamasina omaly alahady, i Hery Rafalimanana PDS-n’ny tanànan’Antananarivo teo aloha.

 Fanohanana ara-materialy no fantatra fa natolony an’ity ekipan’ny baolina lavalavan’Anosibe ity. Tsy diso anjara koa anefa ny zandry kely U-10 sy U-13, mpilalao kitra ao amin’ny Net Foot Mada izay vao avy nandray anjara tamin’ny “Tournoi Sainte Suzanne” tatsy La Réunion ny 7 sy 8 jolay lasa teo. Noraisiny teny amin’ny biraony ireto zaza ireto, notolorana valisoa fampirisihana ary fankaherezana mba  hanaovan’izy ireo ny tsara kokoa hatrany. Izy Hery Rafalimanana rahateo no filoham-boninahitry ny Net Foot Mada, izay fikambanana ara-panatanjahantena misahana ny fampianarana milalao baolina kitra ahitana ny sokajy U-6; U-8; U-10 ary U-13. Tsy manan-kambara aho, hoy i Hery Rafalimanana, raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaham-pirenena eo amin’ny sehatry ny politika izy, saingy mametraka hafatra kosa. “ Tsy vitako izaho samirery ny asa fanarenana fa afaka ho iray… isika rehetra”. Mitohy hatrany, araka izany, ny  asa sosialy ataon’ity PDS-n’Antananarivo Renivohitra teo aloha ity izay efa nahazatra hatrizay, ary efa manomboka misandrahaka ho an’ny daholobe tsy an-kanavaka izany fa tsy nihanona teo amin’ny fijerena manokana ny kilonga madinika irery intsony.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT