Actualités

Herisetran’ny polisy Efa nandrodana fitondrana


  • Zoma 24 Febroary 2017

Polisy ! Efa nanao tantara ary mbola mitohy mametraka tantara eto Madagasikara izany

. Ao ny tantara tsara, betsaka izy ireny, fa misy koa ny tantara ratsy, namela ratra sy fahasiarovana ratsy. Dia io mbola tsaroana isan-taona isaky ny 13 mey io, ny zava-nitranga teto Antananarivo. Fehezanteny tokana, nahitan-doza tamin’izany ilay hoe : “tsakitsaky, zato arivo !”. Nanana ny toerany izany GMP (Groupe Mobile de la Police) sy ny FRS (Force Républicaine de la Sécurité)  izany, ary nivatravatra fiavy nanoloana ny hetsiky ny mpianatra fa dia iny niaraha-nahita iny fa io no nitarika ny firodanan’ny Repoblika voalohany sy nialan’i Philibert Tsiranana teo amin’ny fitondrana. Nisy naka lesona tamin’ireny ve sa tsia ? Ny zava-misy dia tsy mitsahatra ny herisetran’ny polisy ary toa vao mainka aza mahery vaika. Efa lasibatra tamin’izany i Michel Rehavana, mpitsara niasa tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toliara, izay nindaosin’ny fahafatesana ny 9 desambra 2011 noho ny daroka tamin’ny fomba feno habibiana natao azy teo am-perinasa. Toa vitavita ho azy tany anefa iny raharaha iny. Mbola tsaroan’ny maro ihany koa ny namonoan’ny polisin’ny GIR (Groupement d'Intervention Rapide) tetsy Ankasina, tamin'ny volana mey 2012, ilay rangahy 47 taona, mpandraharaha zanak'Imady-Ambositra, nila ravinahitra tany Tsaratanana. Nalamindamina fotsiny teo ihany koa ilay raharaha, dia ny GIR no mody noravana dia namoronana anarana hafa. Fa ity nitranga tany Antsakabary, Distrika Befandriana Avaratra niseho hatramin’ny fiandohan’ny herinandro ity no mampiteny ny moana. Namalifaty ny polisy taorian’ny nahafatesan’ny naman’izy ireo roalahy, niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanga, kaominina Antsakabary ny herinandro lasa teo. Fisamborana faobe arahina herisetra, doro tanàna no niseho. Tranga izay nolavin’ny teo anivon’ny polisim-pirenena marindrano. Loharanom-baovao maro anefa no milaza fa voambana basy ny Ben’ny tanàna sy ny fokonolona hanaiky izay voarakitry ny firaketana an-tsoratra natao, fa olon-tsotra no nandoro tanàna ary tsy nisy herisetra. Fitoniana toy inona no andrasana eto raha mitohy ny tranga toy izany ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT