Actualités

Herisetra tany atsimo Hitsangana ny “AV SUD”


  • Zoma 30 Novambra 2012

Mbola resabe any Faradofay hatramin’izao ny akon’ny “Opération Tandroka”, hamerenana amin’ny lanoniny ny fandriampahalemana. Samy manana ny filazany sy ny fanazavany ireo mpahay miresaka na dia tsy nahita ny zava-nisy marina tany atsimo aza.

 Anisan’ny nitondran’ny fikambanana AIFA tarihin’ny filohany, Abdalalah Mouhaidie io raha nitafa tamin’ny mpanao gazety any Faradofay ny talata teo tao amin’ny trano fonenany Ampotatra. Nambarany fa nanana havana tsy hita faty tamin’ny herisetra nataon’ireo ekipa sasan’ny “Opération Tandroka” tany atsimo ny fianakaviany. Nomarihiny fa tsy malaso velively akory na koa tari-dRemenabila fa dia nodarohina sy notifirina tsotra izao rehefa tsy nahitana karatra teny aminy.

Maro ireo tsy manan-tsiny no nitondra faisana ary saika fianakaviana mafy ady avokoa izy ireo, hoy i Abdalalah Mouhaidie. Manoloana izany dia mihevitra ny fikambanana fa hanangona ireo olona niharan’ny herisetra ka hanangana ny fikambanana atao hoe : “Association des victimes du Sud (AV Sud)”. Tanjon’ny fikambanana ny hanazava sy hampafantatra amin’ny antsipirihany amin’ny mpiray tanindrazana ny zava-nisy marina amin’ny alalan’ireo porofo azo tsapain-tanana sy fijoroana ho vavolombelona.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT