Ny 70 %-n’ny vehivavy dia hiharan’ny herisetra avokoa saingy ny endrika hisehoany no samihafa. Mbola betsaka amin’izy ireny anefa no tsy sahy manatona ivontoerana fandraisana fitarainana.
Antony tsy mety mahafoana ny herisetra mahazo ny vehivavy eto amintsika izany, hoy Ramatoa Zo Rahari, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny ONG Manasoa. Diso manefy loatra ny fomba fisainan’ny vehivavy mantsy ilay toe-tsaina napetraky ny fiarahamonina fahiny hoy izy toy ny hoe : ny tokantrano fiafiana, ny tokantrano fandeferana ka dia hiaretana hatrany na dia efa mila hanaraka hatramin’ny aina aza. Mbola mila ezaka be ny fanentanana ny vehivavy hanatona ireny ivon-toerana fihainoana ireny hoy hatrany izy. Tsy fahadalana, hoy hatrany Rtoa Zo Rahari ny fitoriana ny lehilahy iray raha toa mampihatra herisetra amim-badiny izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fikasihan-tanana, ny tsy fanomezana karama na tsy famelomana ny ankizy mihitsy, ny fanerena hanao firaisana ara-nofo tsy araka ny sitra-po…Ny herisetra dia fihetsika na fomba fiteny manjakazaka, mandratra izay mety hamotika tanteraka ny maha izy azy ilay vehivavy mihitsy. Anisan’ny voka-dratsy ateraky ny tsy fananan’ilay vehivavy haja sy fahatokisana ny tenany intsony, izay mety hiafara amin’ny tsy fananany hafaliana hiaina maharitra eto an-tany intsony. Hankalazaina anio sabotsy 25 novambra ny andro maneran-tany iadiana amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.